Ronono

Avy amin'i Wikipedia
Ronono
Eleveur de bétail

Ny ronono dia sakafo ranoka miloko fotsy amboarin'ny biby mampinono vavy. Ny ronono dia vokarin'ny fandranoka ao anatin'ny nono.

Siansa[hanova | hanova ny fango]

Ny ronono dia ranoka fotsy, ny misy ao anatiny dia mety samihafa kely arakaraky ny karazana biby mampinono.

Fizika[hanova | hanova ny fango]

Ny rononon'omby dia manana tahandanja 1,032. Haro fiharo ary mitsingilahila. Ny arakevitry ny rano dia fito ambin'ny valopolo isan-jato. Ny sisan'izay dia tavy (3,5-4,5%) ary tahantombo hafa toy ny gliokôzy, lipida, prôtida ary otrikanina, miaraka amina tahantombo mineraly toy ny kalsiôma, pôtasiôma, manganeza, kilaoro...

Simia[hanova | hanova ny fango]

Ny pH dia somary marikivy (6,4 hatramin'ny 6,8 ho an'ny rononon'omby) mahery kelin'ny 7 ny pH an'ny rononon'olombelona (7,0-7,5). Mihamarikivy ny ronono rehefa mijanona elaela, satria lasa mivadika ho asidra laktika ny laktôzy.