www.fgks.org   »   [go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Fitaovam-pandevonan-kanina

Avy amin'i Wikipedia
Fitaovam-pandevonan-kanin' ny olombelona

Ny fitaovam-pandevonan-kanina dia fitambarana taova ao amin' ny zavamananaina, izay mandray anjara amin' ny fitelemana sy ny fandevonan-kanina ary ny famoahana ny faika tsy ilaina avy amin' izany mba hahazoana ny angovo sy otrikaina ilaina amin' ny fahaveloman' ny zavamananaina. Ity rafitra ity dia tena ilaina ka tsy maintsy hita amin' ny karazam-biby rehetra.

Manomboka ny fiavakavahan' ny taova rehefa manana vava sy lavabody ny biby ary noho izany ny sakafo dia mandalo amin' ny taova rehetra izay mety ho maro na vitsy arakaraka ny karazam-biby. Manana rafi-pandevonan-kanina tena tsotra izay tsy misy afa-tsy vava, lalan-kanina, tsinay ary lavabody, ny kankana sasany. Mety hitombo arakaraka ny sakafo izay mitaky fikarakarana bebe na kely kokoa mba hahazoana antoka ny fandevonan-kanina ny isan' ny taova sy ny hasaro-drafitrany. Izany no antony ananan' ny biby mandinika taova fanampiny maromaro sy vavony misy efitra maromaro.

Ny fandalinana ny taovam-pandevonan-kanina dia ahafahana mamantatra zavatra maro momba ny sakafon' ny biby sy ny fomba fisakafoanany. Izany no ahafahan' ny antrôpôlôga mamantatra raha nihinana ahitra na tsy nifidy zavatra hohanina ny olona sy ny rajako tany alohabe.

Ny taovam-pandevonan-kanin' ny olombelona dia ahitana ny vava, ny lalan-kanina, ny vavony ary ny tsinay (tsinaibe sy tsinaikely) izay miafara amin' ny lavabody. Voaforon' ny taovam-pandevonan-kanina miampy taova fanampiny amin' ny fandevonan-kanina (ny lela, ny fihary rora, ny sarakaty, ny aty ary ny afero) ny rafi-pandevonan-kanina. Manodidina ny 9 metatra ny halavan' ny taovam-pandevonan-kanina iray manontolo amin' ny olona maty. Fohy kokoa izy io ao amin' ny olona mbola velona.

Ny taovam-pandevonan-kanin' ny olombelona dia misy mikrôbiôtan' ny tsinay, misy karazana bakteria miisa 1 000 eo ho eo izay manana anjara asa isan-karazany amin' ny fikojakojana ny fahasalaman' ny hery fiarovana sy ny metabôlisma, ary ahitana zavamiaina bitika maro hafa. Ny sela ao amin' ny taovam-pandevonan-kanin' ny olombelona dia mamoaka hôrmônina izay manampy amin' ny fandrindrana ny dingan' ny fandevonan-kanina.