I Mianmara, na Vondron' i Mianmara, na Birmania, dia firenena any Azia Atsimo-Atsinanana mizara sisintany amin' i India, ny Bangladesa, i Laôsy, i Sina ary i Tailandy. Voafaritry ny Ranomasina Andamàna sy Hoalan' i Bengaly izy any atsimo sy any atsimo-andrefana, ny totalin' ny halavan' ny morontsirany dia misy 2 000 km eo ho eo, ao amin’ ny Hoalan' i Bengale.
I Birmania dia fiombonam-panjakana miisa fito izay onenan’ ny vahoaka tsy Birmana sy fizaram-paritra onenan’ ny Birmana, ka anisan’ izany i Rangoun renivohitra. Ny faritra amorontsiraka dia atao hoe Birmania Ambany fa ny faritra anaty tany kosa dia atao hoe Birmania Ambony. Manana endrika lavalava ilay firenena. Ny vohon-taniny dia ahitana lempona lehuibe eo afovoany, hodidinin’ ny tangoron-tendrombohitra. Rakotra ala ny 55 % mahery amin’ ny tanin’ i Mianmara.
Ny Birmana dia 80 %n’ ny mponina ao amin’ io firenena io, izay ahitana koa vahoaka vitsy anisa maro, sy Sinoa ary Indiana sy safiotra anarivony.
Mihoatra ny 85 %n’ ny mponina any Mianmara dia manaraka ny fivavahana bodista. Anarivony maro, noho izany, ny pagôda miorina any.
Firenena manompana ny teokareny amin’ ny fambolena i Mianmara: anisan’ ireo firenena mpamokatra vary be indrindra maneran-tany izy. Anisan’ ny loharanon-karena koa ny ala, inderindra ireo karazan-kazo fakana fingotra. Ny taozava-baventy, izay nandroso dia nandroso tokoa tamin’ ireo taona 1960-1970 dia miompana indrindra amin’ ny fanodinana ireo vokatry ny fambolena sy ny hazo ary koa ny famokarana lamba sy ny simenitra ary ny fanadiovana ny solitany.